<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.W. Fink</author>
<title>Ny teninao ry Tompo o FFPM216</title>
<lyrics>[V1]
 Ny teninao ry Tompo ô,
 Dia ranon'aina soa,
 Izay mahalonaka ny fo
 Mangetana tokoa,
 Jereo ny tanimbolinao,
 Fa tena mila io,
 Ho feno voa ho Anao
 Hatramin'ny anio

[V2]
 Ny teninao dia sabatra
 Maranitra tokoa,
 Mitsara sy mamantatra
 Ny fonay sy ny voa.
 Hetseho izao tontolo izao
 Handray ny teninao,
 O, asehoy ny herinao,
 Hamorona aim-baovao.

[V3]
 Ny teninao izay tokinay
 Fanilon-dianay,
 Noraisinay ho lovanay
 Sy fifalianay.
 Ampianaro izahay
 Hanoa ny didinao,
 Ataovy izay hitiavanay
 Ny teny masinao.</lyrics>
<hymn_number>216</hymn_number>
</song>